1 Corinthians 7

1Ary mahakasika ireo olana izay nosoratanareo momban’ny hoe: “Tsara ho an’ny lehilahy ny tsy mikasika vehivavy.” 2Nefa noho ireo fakam-panahy amin’ny fahavetavetana maro isan-karazany, dia tokony hanana ny vadiny manokana avy ny lehilahy tsirairay, ary ny vehivavy tsirairay dia tokony hanana ny vadiny manokana avy.

3Ny lehilahy dia tokony hanome ireo zo ara-panambadiana ho an’ny vadiny, ary toy izany koa ny vehivavy ho an’ny vadiny. 4Tsy ny vehivavy no manana fahefana amin’ny vatany manokana, fa ny vadiny. Toy izany koa, tsy ny lehilahy no manana fahefana amin’ny vatany manokana, fa ny vadiny no manana.

5Aza mifanakatsakana ianareo tsirairay, afa-tsy amin’ny fifanarahana nifanaovana ary amin’ny fotoana voatokana. Ataovy izany mba hafahanareo manokan-tena amin’ny vavaka. Avy eo dia tokony hiara-hatory indray ianareo, mba tsy hafahan’ny Satana maka fanahy anareo nohon’ny tsy fanananareo fifehezan-tena. 6Kanefa izaho dia milaza ireo zavatra ireo aminareo am-pahalalahana fa tsy didy akory. 7Iriko ny olona rehetra ho toa ahy. Fa ny tsirairay dia samy manana ny fanomezam-pahasoavany manokana avy amin’Andriamanitra. Ny iray manana ity karazam-panomezam-pahasoavana ity, ary ny iray hafa manana karazany hafa koa.

8Ho an’ireo izay tsy manambady sy ireo mpitondratena dia miteny aho fa tsara ho azy ireo raha mijanona tsy manambady izy ireo, tahaka ahy. 9Kanefa izy ireo raha tsy afaka mamehy tena, dia tokony hanambady. Satria tsara kokoa ho azy ireo ny manambady toy izay ampirehetin’ny filàna ara-nofo.

10Ary ho an’ireo izay manambady dia manome izao didy izao aho—tsy izaho, fa ny Tompo—ny vehivavy dia tsy tokony hisaraka amin’ny vadiny, 11(fa raha toa izy ka misaraka amin’ny vadiny, dia tokony hijanona tsy hanambady na koa miverina mihavana amin’ny vadiny) —ary ny lehilahy dia tsy tokony hisaraka amin’ny vadiny.

12Fa ho an’ny sisa dia milaza aho—izaho, fa tsy ny Tompo—hoe raha misy rahalahy iray manana vady tsy mpino, ary raha mahafaly azy ny miara-miaina aminy, dia tsy tokony hisaraka amin’ny vadiny izy. 13Raha ny vehivavy iray no manana vady tsy mpino, ary raha mahafaly azy ny miara-miaina aminy, dia tsy tokony hisaraka amin’ny vadiny izy. 14Satria ny lehilahy tsy mpino dia natokana noho ny amin’ny vadiny, ary ny vehivahy tsy mpino dia natokana nohon’ny amin’ny rahalahy. Fa raha tsy izany dia ho maloto ny zanakareo, nefa raha ny marina dia efa voatokana izy ireo.

15Fa raha ny vady tsy kristianina no mandao, avelao izy andeha. Amin’ny toe-javatra toy izany, ny rahalahy na ny rahavavy dia tsy voafatotr’ireo voadin’izy ireo. Andriamanitra dia niantso antsika mba hiaina am-piadanana. 16Fa amin’ny fomba ahoana no ahalalanao, ry vehivavy, raha ho voavonjinao ny vadinao? Na amin’ny fomba ahoana no ahalalanao, ry lehilahy, raha ho voavonjinao ny vadinao?

17Fa avelao fotsiny ny tsirairay avy hiaina ny fiainana izay efa nanendren’ny Tompo azy, ary araka ny efa niantsoan’Andriamanitra azy. Io no fitsipiko ao amin’ny fiangonana rehetra. 18Efa voafora ve ny olona iray rehefa nantsoina mba hino? Izy dia tsy tokony hiezaka ny hisehoseho tahaka ny tsy voafora. Tsy voafora ve ny olona iray rehefa nantsoina ho amin’ny finoana? Tsy tokony ho foraina izy. 19Satria tsy ny famorana na ny tsy famorana no zava-dehibe. Ny zava-dehibe dia ny fankatoavana ireo didin’Andriamanitra.

20Ny tsirairay avy dia tokony hijanona amin’ny fiantsoana izay nisy azy rehefa nantsoin’Andriamanitra mba hino izy. 21Andevo ve ianao fony Andriamanitra niantso anao? Aza miahiahy ny amin’izany. Fa raha mety ho afaka ianao, dia araraoty izany. 22Satria ny olona iray izay nantsoin’ny Tompo ho andevo dia olona afaky ny Tompo. Toy izany koa ny olona izay afaka fony izy nantsoina mba hino dia andevon’i Kristy. 23Ianareo dia voavidy, noho izany dia aza tonga toy ireo andevon’ny olona. 24Ry rahalahy, na inona na inona fiainana nisy antsika tsirairay fony isika nantsoina mba hino, dia aoka isika hijanona ho toy izany.

25Ary mahakasika ireo izay tsy nanambady mihitsy, izaho dia tsy manana didy avy any amin’ny Tompo. Nefa izaho dia manome ny hevitro tahaka ny iray izay, amin’ny alalan’ny famindram-pon’ny Tompo, dia mendri-pitokisana. 26Noho izany, mieritreritra aho fa nohon’ ny loza izay ho avy, dia tsara ho an’ny lehilahy ny mijanona amin’ny maha izy azy.

27Voafatotra amin’ny vehivavy ve ianareo? Aza mitady ny ho afaka aminy. Afaka amin’ny vadinao ve ianao? Aza mitady vady. Nefa raha manambady ianareo, dia tsy nanota. 28Raha ny vehivavy tsy manambady no manambady, dia tsy nanota izy. Nefa ireo izay manambady dia hanana karazan’olana maro raha mbola velona, ary izaho dia te hanala anareo amin’izany.

29Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Fohy ny fotoana. Manomboka izao, aleo ireo izay efa manam-bady hiaina ho tahaka ny tsy manana. 30Ireo izay mitomany dia tokony hanao ho tahaka ny tsy mitomany, ireo izay mifaly ho tahaka ny tsy mifaly, ary ireo izay mividy ho tahaka ny tsy manana na inona na inona; 31ary ireo izay mampiasa izao tontolo izao dia tsy tokony hanao tahaka ny mampiasa izany tanteraka. Satria izao tontolo izao amin’ny endriny ankehitriny dia ho tonga amin’ny fiafarana.

32Tiako ianareo ho afaka amin’ireo ahiahy. Ny lehilahy tsy manambady dia miahiahy ny amin’ny ireo zavatry ny Tompo, ny amin’ny fomba hampifaliana Azy. 33Fa ny lehilahy manambady dia miahiahy ny amin’ny zavatr’izao tontolo izao, ny amin’ny fomba hampifaliana ny vadiny— 34mizarazara izy. Ny vehivavy tsy manambady na virijiny dia miahiahy ny amin’ny zavatry ny Tompo, ny amin’ny fomba hanokanana amin’ny tena sy ny fanahy. Fa ny vehivavy manambady dia miahiahy ny amin’ny zavatr’izao tontolo izao, ny amin’ny fomba hampifaliana ny vadiny.

35Lazaiko izany ho an’ny tombotsoanareo manokana, fa tsy hametraka izay rehetra sakantsakana eo aminareo. Milaza izany aho noho izay marina, amin’izay ianareo mba hanolo-tena ho an’ny Tompo tsy misy fanelingelenana.

36Nefa raha misy olona iray mihevitra fa tsy mitondra ny fofom-badiny am-panajana—raha mihoatra ny taonan’ny fanambadiana ilay vehivavy ary tsy maintsy toy izany—dia tokony hanao izay tiany izy. Tsy manota izy. Tokony hivady izy ireo. 37Nefa raha nikasa tsara tao am-pony izy, raha toa ka tsy ambany faneriterena fa afaka mifehy ny sitrapony manokana, ary raha nanapa-kevitra tao am-pony izy ny hanao izany, mba hitazomana ny fofombadiny ho virijiny, dia tsara ny ataony. 38Koa izay manambady ny fofombadiny dia manao ny tsara, ary izay misafidy ny tsy hanambady dia hanao ny tsaratsara kokoa aza.

39Ny vehivavy dia voafatotry ny vadiny raha mbola velona ralehilahy. Fa raha maty ny vadiny, dia malalaka tsara izy ny hanambady izay tiany ho vadiana, nefa ao amin’ny Tompo ihany. Nefa amin’ny fitsarako dia tokony ho faly kokoa izy raha miaina amin’izao ihany. Ary heveriko fa izaho ihany koa dia manana ny Fanahin’ Andriamanitra.

40

Copyright information for PltULB